Manohy hatrany ny lalany… Poeta nahavita nanoratra ny raki-piainany momba ny lalana nodiaviny teo amin’ny tontolon’ny soratra nanomboka ny taona 1994. Hisy vanim-potoana hankalazaina sy jobily ny amin’ireo. Resaka nifanaovana taminy.
Gazety Taratra (*) : « Hankalaza tokana Jobily roa ». Inona ny hevitra fonosin’io?
Rado Ramaherison (-) : Hisy hetsika iray hanambatra vanim-potoana tahaka izao : Fankalazana ny faha-30 taona nanoratana sy jobily roa. Ny jobily faha-25 taona nitondrana ny solonanarana «Rado Ramaherison» sy ny jobily faha-25 taona naha mpiraifaribolana. Ramaherison Radoarijaona ny tena anarako. Ny « Rado » anarana efa fahazaza. Nampiana fotsiny ny « Ramaherison » mba tsy hifangaroany amin’i Rado (Georges Andriamanantena). Anaran’ny dada rahateo ny « Ramaherison ». Ny volana marsa 2025 no hotanterahina io « Hankalaza tokana Jobily roa » io. Fotoana hamoahana rahateo ny boky « Ranontany 3 ». Hofaritana ato ho ato ny fandaharam-potoana hotanterahina ao anatin’ny hetsika, satria, tsy maintsy hampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny eo am-pelatanana izany.
* Nanao ahoana ny nandiavana ny 30 taona nanoratana? Ny hoavy manaraka?
– Tsy mora! Ny fanontana boky, ahitana olana. Fiarovana ny zon’ny mpanoratra, tsy misy. Ny Malagasy tsy miraika amin’ny famakiana boky noho ny antony roa lehibe: tsy fahatakarana ny vidin’ny boky sy ny fandraisana anjara goavana ataon’ny teknolojia amin’ny fanoloana ny toeran’ny boky. Ampahany ihany ireo.
Na izany aza, tsy mahazo kivy. Efa ela aho no nieritreritra fa tsy ho asa fivelomana ny soratra, raha mbola eto Madagasikara. Namboarina ny saina, fitiavana sy iraka (adidy) no anisan’ny hanoratana. Antony goavana nanosika ny tena hianatra hatrany io.
… Hanoratra hatrany aho. Rehefa modimandry vao tsy manoratra intsony. Anisan’ny mpanoratra nitari-dalana ahy i Rado (Georges Andriamanantena) sy ny sanganasany. Adidy lehibe ny vitany ho an’ny taranaka! Any aoriana any, mba mety ho tahaka izay ihany koa i Rado Ramaherison… Nahavita adidy!
Nitafa : HaRy Razafindrakoto