INDRAY MIJERY

Mitohy ny tantsoroky ny Unesco ho an’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Mpanombana amin’ny Validation des acquis de l’expérience (VAE) hifehezana ny fepetra takina rehefa hanadina olona iray amin’ny VAE. Matihanina roa avy any ivelany sy avy eto an-toerana no hampiofana ireo 20 mianadahy ho “évaluateurs” ao anatin’ireo sehatrasa afaka hanaovana ny fanadinana VAE.
Efa mahazo rano ankehitriny ny lavadrano hamatsiana rano ny Cité Universitaire R+1 Ankatso II. Nanambaran’ireo teknisiana fa efa miroso ny fametrahana ny fitahirizan-drano. Mihoatra ny 3m³ isan’ora ny rano hovokarina ary mahazaka 15m³ ny fitahirizan-drano izay fiaraha-miasa amin’ny Communauté musulmane sunnite de Madagascar (CMSM). Mahazaka mpianatra 320 ny trano vaovao R+1 eny Ankatso II.
Nampiofanina mahakasika ny Agroécologie sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana ireo mpampianatra sy tomponandraikitra teknika avy ao amin’ny Dren Itasy, ny herinandro lasa teo. Tanjona ny hampandraisana andraikitra ny mpanabe sy ny mpianatra amin’ny alalan’ny fiovan-toetra amam-pihetsika mba hipaka amin’ireo manodidina azy.

Partager sur: