Kaominina Andohanilakaka: Nahazo efitrano ny EPP Sakaviro

Vita ny efitrano fianarana manaja ny maha olona ao amin’ny EPP Sakaviro Mahasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andohanilakaka, distrikan’Ihosy. Vokatry ny famatsiam-bola madinika avy amin’ny masoivoho amerikanina, Ambasador’s Special Self-Help Small Grants Program no nahafahana nanao ny fotodrafitrasa. Mitombo avo roa heny ny efitrano fianaran’ireo ankizy 4 ka hatramin’ny 11 taona miisa 887, ao an-toerana. Ny fahampian’ny toeram-pianarana dia mampiroborobo ny tontolo fanabeazana mivoatra sy azo antoka kokoa, ary manalavitra ireo ankizy tsy hiasa amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Mampirisika ny ray aman-dreny handefa ny zanany any an-tsekoly ihany koa ny fisian’ny sekoly sy ny fahampian’ny efitrano handray ny zanany.
Ny masoivoho amerikanina no niantoka ny fampitaovana ary ny fokonolona, notarihin’ny fikambanana Sedera, no nanatanteraka ny asa izay naharitra herintaona. Niombonana antoka mba hiantohana hoavy tsara kokoa ho an’ny ankizy tsirairay ny asa.
Niara-nankalaza izany zava-bita izany ny ekipan’ny masoivoho ho fanamafisam-patorana ny firahalahiana eo aminy sy ireo fiarahamonina eny ifotony.
Nankasitraka izany ny raiamandreny sy ireo mpanabe ary ny olobe eo an-tanàna satria hitombo ny ankizy tafiditra an-tsekoly vokatry ny fahavitan’ny fotodrafitrasa.

Tatiana A

Partager sur: