Zava-doza ny manjo an’ilay Madagasikara, indrindra ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Ny Jirama hatrany no mahazo loza kanefa ilay natiora mihitsy no efa mitokona. Azo lazaina fa manafay ny zanak’olombelona ny “Mpahary” sy ny zavaboahary. Raha mbola nirehareha, tsy nianjadian’ny tsy fahampian-drano ireo tsy mampiasa paompy dia efa mahita faisana koa ankehitriny.
Ny tena marina, kinkina tanteraka ny loharano. Raha ny fanazavana nomen’ny mpahay jeografia sy ny injenera momba ny rano dia ilay tahirin-doharano ao ambanin’ny tanin’i Madagasikara mihitsy no miharitra. Na miezaka ny handavaka aza isika, betsaka ny faritra ho sahirana vao mahita rano. Voka-dratsin’ny fanimbazimbana sy fanimbana tontolo iainana avokoa izany.
Iza izany no homen-tsiny? Samy tompon’andraikitra isika mianakavy. Isika no manapaka ny ala. Isika no mandoro tanety. Mbola isika mianakavy ihany koa no manana filana hanotofana ny tanàna. Isika no mandrora mitsilany. Mila raharaha toa an-dRainizafilemena isika. Tsy mahay manangana fa mandrava. Ny olana nefa dia miala andraikitra, tsy manaiky ny ho tompon’antoka amin’ny fahavoazana isika mianakavy.
Etsy ankilan’izay, tsy mbola azo tsapain-tanana ny ezaka amin’ny fitantanana ny rano. Tsy ampy ny politika ifehezana ny afo. Tsy hita be ihany ny ezaka vitan’ny nomem-pahefana. Samy variana amin’ny maha variana azy avokoa ka manadino ny laharam-pahamehana eto an-tanàna. Tsy afa-miala ny mpitondra fanjakana, tomponandraikitra voalohany amin’ny zava-misy, na io amin’ny fanabeazana ny olom-pirenena, na ny tari-dalana.
Na inona na inona lazaina, vokatry ny tsy firaharahantsika olombelona dia migrevy aloha ny zavaboahary. Samy mizaka ny vokany eto avokoa.
r.r