« Salagnitry Fagnosafy»: Nanomezana vahana ny toeram-pitsangantsangana ao Farafangana

« Salagnitry Fagnosafy » no anarana nampitondrain’ny Fikambanan’ny zanak’Ante­saka monina eto Farafangana (Fizaa), ny hetsika ara-kolontsaina sy fanatajahantena entina hanomezana vahana ny toeram-pitsangantsanganana hitarika mpizahatany any an-toerana ny fiandohan’ny volana teo ary naharitra roa andro. Nosantarina tamin’ny filaharana avy amin’ireo foko namakivaky ny tanàna ny hetsika izay niafara tao amin’ny « phare » Amboanio napetraka ho fa­mantarana ny fandalovana ao Farafangana. Nanehoana ny dihy sy ny fomba amam-panao nandritra ny filaharana.
Nanamafy ny filohan’ny Fizaa, Amyot Kofoky, fa ilaina ny fanehoana ny firaisankina satria iray ihany ny Malagasy ka tokony hahay hiara-honina sy hifankatia. Zava-dehibe ny fampahatsiahivana ny fihavanana amin’ny hetsika tahaka izao, hoy kosa ny governoran’ ny faritra Atsimo Atsinanana, Rajaobelina Gerard. Nisy ny lalao baolina kitra nolalaovina amin’ny torapasika izay nitohy ny andro faharoa ka nibata ny fandresena ny Rabakara.
Lasa toerana fitsangantsanganana eny amin’ny Phare Amboanio amin’izao fotoana izao taorian’ny fanatsarana natao ka betsaka ireo mpitsidika ny toerana. Tosika ho an’ny fizahantany ny fisafidianana io toerana io sady nanehoana ny maha iray ny Malagasy. Alim-padihizana teny amin’ny torapasika no namarana ny lanonana.

Vonjy

Partager sur: