SOMBIM-BAOVAO

Nanainga omaly, tetsy Ivato, hihazo any Afrika Atsimo, ny delegasionan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa hiatrika ny lalao miverina amin’i Tunisie, any an-toerana, izy ireo. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahadimin’ny ady tapakila hiatrehana ny “Can 2025”, izay hatao any Maroc.

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, federaly II, “XXL Top 20”. Anisan’ireo fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonan’ny CEA Andrano­manalina sy ny FTAT Anosibe.

Hiakatra kianja anio sy rahampitso, any Accra Ghana, ny Makis Ladies. Tsiahivina fa miatrika ny fifanintsanana “Tournament Sevens Africa”, rugby sokajy vehivavy, lalaovin’olona fito izy ireo. Ampahatsiahivina ihany fa ny ekipa nasionalin’i Ghana no hifandona amin’ ny Malagasy voalohany.

Araka ny fikarohana natao omaly, tsy tafiditra anaty lisitry ny ekipam-pirenena frantsay, les Bleus, i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra. Fani­ndroany amin’ity izany i Mbappé no tsy voaantso ekipa nasionaly frantsay. Hifandona amin’i Italie sy i Israel ny les Bleus France amin’ity fenêtre Fifa ity.

Partager sur: