Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: vonona haka ny amboara ny Malagasy

Ao anatin’ny tsipika farany amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, hatao any Dijon, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe. Vonona izy efatra mirahalahy handrombaka ny amboara.

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foibe toeran’ny Telma Madagasikara Andra­ha­ro, omaly, ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana hatao any Dijon France, ny 5 – 8 desambra ho avy izao. Andrianan­tenaina Donald, Rakotoniaina Faratiana (Tiana Kely), Rakotondraibe Daniel (Zigle) ary Andriantseheno Christian (Racle). Nambaran’Andria­nirina Julio Adrien, filohan’ny Federasionina sport-boule malagasy (FSBM) fa mpilalao manana ny fahaiza-manaony avokoa izy ireo. Racle, mpilalao mpilaravinahitra any Fran­ce, efa nahazo ny tompondaka maneran-tany, nandrombaka anaram-boninahitra maro tany an-toerana. I Zigle, efa niatrika ny “Tournoi estival” ary efa tompondaka maneran-tany sokajy Junior, I Tiana kely, mpi­lalao mendrika nandritra ny “Tournoi estival” ary i Donald, tompondakan’i Mada­gasikara taona 2024. Hanaza­tra azy ireo, i Hery Moronda­va, 27 taona nilalaovana ka­netibe ary tompondaka sady tompon’ ny amboaran’i Mada­gasikara. Niatrika ny “Tournoi estival” tany France ihany koa.
“Manana ny fahaiza-manao saingy mila fahamatorana fotsiny ny Malagasy mpilalao. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao, tsy lavitra ny Malagasy ny medaly”, hoy Racle. Nohamafisiny fa tonga namaly ny antson’ny federasiona ny tenany ary vonona hiaro ny voninahi-pirenena ary haka indray ny amboara izay efa tamin’ny 2016 no nahazoana izany farany.
Hiainga aloha ny delegasiona malagasy hizarana ilay toetr’andro mangatsiaka any an-toerana. Nisaotra ireo mpanohana Telma sy ny THB ary fitondram-panjakana ny filohan’ny FSBM nanampy amin’ny fiatrehana izao “Mondial 2024”, izao.

Tompondaka

Partager sur: