Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany Kigali, renivohitr’i Rwanda, ny hetsika ho an’ny tanora “Youth Connekt Africa Summit 2024”. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, nirotsaka hofidina amin’ireo firenena handray ny andiany manaraka, ny taona 2025, i Madagasikara. Mifaninana manao ady sisika koa ry zareo zambianina.
Ankoatra izay, anisan’ireo lohahevitra lehibe noresahina tamin’ity fihaonambe ity ny fanomezana asa ho an’ny tanora amin’ny alalan’ny fiofanana mahomby ho azy ireo na “Emploi pour les jeunes grâce aux formations en compétence”.
Nanotrona ny lanonam-panokafana ny filoham-pirenen’i Rwanda, Paul Kagame, izay mpanorina ny hetsika. Nambarany tamin’ny lahateny nataony, omaly, fa ny fanatanterahana ny fifanarahana ho an’ny hoavy na ny “Pacte pour l’avenir” no antoka mampahomby ny tanora eo amin’ny sehatra ilofosany.
Mitarika ny delegasiona malagasy, amin’ity “Youth Connekt Africa Summit” ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Abdulah Marson Moustapha. Izy no mitarika ny ady sisika mba hahazoan’i Madagasikara mampiantrano ny hetsika amin’ny taona ho avy.
Miisa 33 ny firenena mandray anjara amin’ity fihaonan’ny tanora ity. Manampahefana maro no tonga any Rwanda ka anisan’izany ny praiminisitra lehiben’ny governementa sy ny minisitra misahana ny Tanora manerana ny firenena mandray anjara amin’ny “Youth Connekt Africa Summit” 2024.
Fitia Randria