Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa miara-mientana ny minisitera rehetra, hamahana ny olan’ny Jirama. “Tsy miankina amintsika samy irery anefa izany”, hoy izy.
Manoloana ny olana goavana sedrain’ny Malagasy, nitafa tamin’ny haino aman-jery ny Filohan’ny Repoblika, halina. Tamin’izany no nanamafisany fa tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ny fitondram-panjakana. « Efa misy ny vahaolana, miara-mientana ny governemanta”, hoy izy. Samy nampihena ny teti-bolany ny minisitera isanisany mba hahafahana manavotra ny Jirama. “Ny minisiteran’ny Fampianarana no nakana ampahany kely indrindra”, hoy izy. Notateriny fa mizara telo miavaka tsara ny vahaolana: ny hamehana, ny fohy ezaka, ary ny lavitra ezaka.
Miantso ny fiaraha-mientan’ny vahoaka malagasy koa ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny fiatrehana ny olana ampitoniana. “Efa mitady vahaolana ny fitondram-panjakana kanefa tsy miankina amintsika samy irery ny olana mianjady, ankehitriny. Olana maneran-tany ny momba ny haintany sy ny faharitran’ny loharano. Miteraka ny fihenan’ny famokarana herinaratra izany ka mahatonga ny delestazy”, hoy hatrany izy.
Teti-bola goavana
Tsy miraviravy tanana ny fitondram-panjakana malagasy manoloana ny krizy, araka ny filazan’ny Filohan’ny Repoblika. Nanome toky ny tenany fa miara-mitady vahaolana tsy tapaka amin’ny tomponandraikitra. Efa nisy ny vahaolana nampiharina avy hatrany ka nahafahana nampihena ny fahatapahan-jiro tato ho ato.
Nomarihiny kosa fa mbola goavana ny fanamby amin’ny fanafoanana ny delestazy. Mila vola ny fanjakana. Tafakatra 9 hatramin’ny 14 lavitrisa Ariary isam-bolana no ilaina ahafahana manatratra ny tanjona.
4 000 000 ny mpanjifa
Hodidina maro no tsy maintsy jerena raha hamaha ny olan’ny delestazy eto Madagasikara. Ankoatra ny fitantanana, olana ny fahanteran’ny fotodrafitrasa sy ny tsy fahampiana manoloana ny filan’ ny mponina. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, fa efa tafakatra 4 000 000 ny olona mampiasa ny angovo vokarina ankehitriny, raha tokony ho 7 500 izany.
Ahafahana miatrika sy mamaha ny olana, misy ny fandatsahana orana tsy voajanahary, ny fametrahana toby famokarana angovo azo havaozina, ny fananganana tetikasa, toy ny eny Faralaza sy Ambohitrimanjaka, Vontovorona, Amoronakona, Ankadivoribe. Mifanindran-dalana amin’ireo ny fananganana tohodrano mpamokatra herinaratra ao Ranomafana sy Volobe ary Sahofika. Hamaly ny filana amin’ny jiro sy rano avokoa ireo tetikasa ireo.
Lin