Ambohidratrimo : fasana efatra vaky, very ny taolam-paty

Mirongatra ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ankehitriny. Nitrangana vaky fasana efatra indray tany amin’ny fokontany Antsahamaina, kaominina Antanetibe Mahazaza, distrika’Ambohidratrimo, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ireo razana sy ny taolam-paty am-polony tao amin’ireo fasana.
Nahatsikaritra fasana vaky teny an-toerana ny olona sendra nandalo, afakomaly. Nampandre avy hatrany ny mponina manodidina sy ny tomponandraikitra momba ny tranga izy avy eo. Nidina nijery ny zava-misy ireo mponina sy ny tomponandraikitra tany an-toerana taorian’izay. Fantatra tamin’izany fa efatra ireo fasana norobain’ny jiolahy. Araka ny fanadihadiana, tsy nisy faty intsony tao anatin’ilay fasana voalohany fa lasan’ ny jiolahy avokoa ireo taolam-paty tao anatiny. Hita nikorontana sy niparitaka tao anatin’ny fasana kosa ireo lamban-drazana. Razana dimy sisa no hita tao anatin’ny fasana faharoa sy fahatelo. Tsy voavahan’ireo olon-dratsy kosa ny fasana fahefatra na dia nohezahina novakiana aza ny varavaram-pasana.
Miantso ny tomponandraikim-panjakana sy ny manam-pahefana, araka izany, ireo mponina noho ny fitrangana loza tahaka izao, izay mateti-pitranga any an-toerana.

Mino

Partager sur: