Ambohijatovo: mpanao sinto-mahery tra-tehaka

Nisintona finday an’ny mpandeha iray anaty taxi-be, tra-tehaky ny olon-tsotra ny mpanendaka iray teny Am­bohijatovo, omaly. Mitazan-davitra ny fihetsiky ny mpandeha anaty fiara fitateram-bahoaka io lehilahy io. Nosintominy ny findain’ny mpandeha iray tamin’ireo tao anaty taxi-be saingy efa mailo ity farany. Voatazona ny tanan’ilay mpanao sinto-mahery ka tsy afa-nandositra. Niara-nisalahy, nifanome tanana nisambotra io tontakely io ireo mpandeha taxi-be sy ny olon-tsotra teny ivelany. Tsy nahazo na inona na inona, araka izany, ilay lehilahy. Tsy lavitra teo, nanatona ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana ka nanamora ny fisamborana io mpanao sinto-mahery io. Nentina nihazo ny kaomisarian’ny polisy izy. Marihina, saika efa ho isan’andro no itrangana sinto-mahery, fanendahana miharo fandratrana eto an-dRenivohitra. Mpandeha taxi-be matetika no lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: