Betroka : zaza varira 2 vavy nisy naka an-keriny

Nanao antso avo ny filohan’ny fikambanan’ny olona manana toetena varira fa mbola misy hatrany ny halatra olona ary lasibatra izy ireo. Zazavavy varira roa vavy indray no nisy naka an-keriny tany Betroka, tamin’ny herinandro ambony. Enin-taona sy 12 taona izy ireo.
Napetraka tao amin’ny tobim-paritra zandarimaria tao Betroka izy ireo no izao tsy hita popoka izao, ny zoma lasa teo tamin’ny 10 ora alina.
Nisy olona nisandoka ho havany natory tao ny alakamisy alina ka ireo no ahiahiany ho naka an-keriny ilay zaza. Efa mandray ny andraikitra tandrify azy ny zandarimaria sy ny lehiben’ny distrika.
Tetsy andaniny, zazavavy 12 taona koa no very tao Enagniliha kaomina Ranomafana. Tamin’ny 2 ora maraina no nakana ankeriny azy, maratra mafy ny reniny ary maty novonoin’ireo naka an-keriny kosa ny nenitoany.
Marihina fa nahatratra 23 ny trangana fakana an-keriny ireo zaza vavira tamin’ity taona ity manokana (janoary – novambra). Tsy hita popoka ny 4 amin’ireo. Maty kosa ny 9.
Mandry andriran’antsy ireo zaza sy akizy manana toe-tena varira. Mitaintain-dava koa ireo ray aman-dreny manoloana ity halatra olona ity.

Tatiana A

 

Partager sur: