Oktobra 2022, teraka ny tarika M’iray Kalo, ivondronan’ireo tanora 15 miandahy tia sy manam-piniavana hanome aina sy hamelona ireo hira teatraly tranainy na ny kalon’ny fahiny. Nomarihan’i Dimby, mpikambana ao amin’ny tarika M’iray kalo fa « tsy voatery ireo efa nahazo taona ihany no afaka miangaly sy mankafy ny kalon’ny fahiny ». Na ny fampisehoana ataony na ny hira kaloin’ny tarika M’iray kalo, manana endrika fampitana fanilo amin’ireo tanora miaina amin’izao vanim-potoana izao. Noho izany, tsy mijanona hatreo amin’ny famelomana ireo tsanganasan’ny andrarezin’ny kalon’ny fahiny, teto Imerina (Naly Rakotofiringa, Naka Rabemanantsoa, Justin Rajoro, Andrianary Ratianarivo, sns, ny tarika M’iray kalo fa miezaka mampahafantatra ny mombamomba azy ireny sy ny tontolon’ny hira izay nampisongadina azy. Vinanasa akaiky ho an’ity tarika ity ny famoahana ny rakipeo mirakitra ilay hira « Diavolam-pararano » sanganasan’ Andrianary Ratianarivo ary ny fanaovana rakitsary vaovao.
Hanatanteraka fampisehoana « Kalo Gasy… Iray fitempo » miaraka amin’ny tarika Zandry Gasy eny amin’ny Arena Ivandry ny tarika M’iray kalo, ny sabotsy 30 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. « Misy fiaraha-miasa matotra eo amin’ny M’iray kalo sy ireo zoky miangaly ny kalon’ny fahiny, mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ireo mpankafy », hoy Ila Aina, tompon’andraikitra artistikan’ ny M’iray kalo.
HaRy Razafindrakoto