Misy tsy mahay mandray lesona mihitsy eto, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. “Mila fandinihana sy fanetren-tena ihany izy ity. “Hery afaka manova sy manafoana ny olana tsy voatanisa misy eto no ilaina fa tsy ny hery fampihorohoroana ny samy malagasy “, hoy izy. Nanteriny fa ratsy fiafara ireo nanao jadona.
Nitsidika nijery ifotony ireo vakoka mampiavaka an’Antananarivo Renivohitra ny kandidà, laharana fahefatra, Ravalomanana Tojo, omaly. Anisan’izany ny etsy amin’ny tranopokonolona Isotry, ny fanaovana teatra eny Ambatovinaky ary ny eny amin’ny fasan-dRainiharo. Nampanantena ny tenany fa anisan’ny hojerena akaiky ny fanarenana sy ny fanatsarana izany.
Misaotra ny ampanjakaben’i Boeny, i Dina Guy Herimisy nandray sy nitsodrano azy tao amin’ny Lapa tao Tsararano, omaly ny kandidà Rakotovao Rivo. Nambaran’ity laharana fahatelo amin’ny fifidianana ao Mahajanga ity fa manaja ny fomba sy ny rafi-piarahamonina misy ny tenany. “Manome hasina ireo olobe eto Mahajanga izahay”, hoy izy.
Tokony ahintsana ilay kandidà nilaza fa kandidàm-panjakana eto Antananarivo Renivohitra, araka ny nambaran’ny depiote Tim, i Todisoa. “Miandry ny fanapaha-kevitra sy ny fepetra avy amin’ny Ceni izahay manoloana izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tampom-pahefana ilay kandidà ka miteniteny foana.