Fifidianana ben’ny Tanàna : hitondra am-bavaka ny kandidà ny FFKM

Hivavaka ho an’ny kandidà sy ny fifidianana ireo raiamandreny am-panahy ao amin’ny FFKM. Hotanterahina rahampitso ny anjaran’Antananarivo Renivohitra.

Hisy ny hafatrafatry ny raiamandreny. Ha­na­tan­teraka fiombonam-bavaka ho an’ny firenena sy ny mpikirakira fifidianana eto Antananarivo Renivohitra ny eo anivon’ny FFKM. Hotan­terahina eny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana izany rahampitso, alakamisy 14 novambra amin’ny 3 ora. “Hanasana ny vahoakan’An­tana­narivo sy ireo kandidà ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina mpiray lisitra aminy izany”, hoy ny fampitam-baovao eo anivon’ny FFKM, omaly.
Entanina hanatrika sy hiombom-bavaka ireo rehetra mpikarakara ny fifidianana, araka ny fampitam-baovao hatrany. Anisan’izany ny eo anivon’ny Ceni, ny HCC, ireo rantsam-pitsarana mahefa vo­a­kasik’izany. Ny avy amin’ny minisiteran’ny Atitany ary ny olom-pirenena rehetra. Hita­rika ny fotoam-pivavahana ny filoham-piangonana efatra eo anivon’ny FFKM foibe.
Efa nialohavan’ny fitondrana am-bavaka indroa miantoana izany. Ny voalohany sy faharoa dia ho an’ireo kandidà eny amin’ny distrikan’Atsimon­drano, ny herinandro teo. Hirosoana izao indray ny ho an’ny eto Antananarivo Reni­vohitra sy ny manodidina. Anisan’ny nambaran’ireo mpitondra fiangonana ny handalana hatrany ny fahamarinana amin’izao hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izao.
Aorian’izany, hiatrika ny komity foibe faha-46 ny FFKM ny 3 hatramin’ny 5 desambra izao any Morondava. Mbola andrasana kosa anefa ny hafatry ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka, ny zoma izao ka hitondran’izy ireo ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: