Nanamarika ny fahatsiarovana ny datin’ny 11 novambra 1918 izay nitsaharan’ny ady lehibe voalohany ny fanomezam-boninahitra ireo maherifo teny amin’ny Tsangambato Anjely mainty Anosy, ny alatsinainy 11 novambra 2024 teo. Notononina manokana ny anaran’ireo miaramila malagasy lavo am-perinasa nandritra ny taona 2024, izay nahatratra 17. Nitarika ity fotoam-pahatsiarovana ity ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, notronin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny MFA sy ny Etamazaoro, ny zandarimariam-pirenena ary ny polisim-pirenena. Tazana teny an-toerana koa ny Ambasadaoro Frantsay, Arnaud Guillois sy ireo tomponandraikitry ny Fiarovana frantsay miasa eto Madagasikara. Nisy ny fanolorana fehezam-boninkazo fahatsiarovana ireo namoy ny ainy sy ny fanolorana mari-boninahitra sy medaly frantsay fankasitrahana noho ny firindran’ny fiaraha-miasa ara-tafika teo amin’i Frantsa sy i Madagasikara. Tsiahivina fa nahatratra 34 000 ireo Malagasy mpiady nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany ka 2 500 ireo namoy ny ainy nandritra ny ady. Nambaran’ny MFA ny hasarobidin’ny fahafoizan-tena nananan’ireo mpiady malagasy. Ilaina ny fanomezan-danja ny fandriampahalemana satria maro ireo loza noho ny voka-dratsin’ny ady, hoy hatrany izy.
J.C