Hetsika fampivoarana ny tanora : hatao eto Madagasikara ny “Youth Connect Africa 2025”

Fandresena ho an’ny tanora malagasy ny fivoriana natrehin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena tatsy Rwanda. Voasafidy hampiantrano ny “Youth Connect Africa 2025” i Madagasikara. Hiteraka asa maro sy ampiditra vola vahiny betsaka izany.

Horakorakam-pifaliana no nitsenana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena malagasy, i Marson Moustapha Abdulah, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. N­itondra fandresena ho an’ny tanora malagasy mantsy ny tenany taorian’ny fivoriana natrehiny tany Kigali Rwanda, ny zoma lasa teo ka hatramin’ny alatsinainy 11 novambra 2024. Nambarany fa voasafidy hampiantrano ny “Youth Connect Africa 2025”, i Ma­dagasikara. Resy lahatra tamin’ny zava-misy eto Ma­dagasikara ireo firenena afrikanina 33 ka lany 100% ny handraisana izany fihaonana an-tampony izany.
Nohamafisin’ny minisitra fa na i Zambia nifaninana tamin’i Madagasikara aza tsy sahy nirotsaka fa avy hatrany dia nanaiky resy. “Midika ny fankatoavan’ny iraisam-pirenena ny firotsahantsika amin’ny fampandrosoana ny tanora ary manamafy ny fijoroany fa anisan’ireo mpandray anjara amin’ny fanovana ny ara-tsosialy sy ny toekarena eto Afrika izany”, hoy izy. Ni­saorany manokana ny filoham-pirenena, tamin’ny fanohanany sy ny ady sisika nahazoana ny fankatoavana handraisana ity “Youth Connect Africa 2025” ity.
Tanora afrikanina, miisa 20 ka hatramin’ny 25 000 any ho any miaraka amin’ny filoham-panjakana avy amin’ireo firenena mpikambana no ho avy eto Madagasikara amin’io taona ho avy io ka hiteraka asa maro izany, toy ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny amin’ny hotely, ny fiara karetsaka, ny famarotana ireo asa tanana malagasy ka hampiditra vola vahiny.
Tsy mbola fantatra ny lohahevitra amin’io “Youth Connect Africa 2025” io fa vao hiaraha-midinika amin’ireo mpisehatra rehetra. Ankoatra izay, hampiarahana amin’ity hetsika ity ny fanatanjahantena na ho amin’ny endrika fampisehoana fotsiny ihany aza.

Torcelin

Partager sur: