Roa tapitrisa ireo rantsam-batana artifisialy nozarain’ny BMVSS manerana izao tontolo izao izay nametrahana “Camp” 110. Firenena 40 no efa nahita tombontsoa tamin’ny tetikasa. Antony maro no mety mahatonga ny mpitsabo hanaisotra ny rantsam-batana iray na roa amin’ilay marary. Toy ny areti-mifindra na mikraoba manimba ny taolana na hozatra ka tsy voafehy amin’ny fanafody.
Eto Madagasikara, efa nisy ny fandraisana ny fepetra fanafahan-ketra amin’ny fadin-tseranana nanomboka nihatra ny janoary 2011 sy ny TVA nanomboka ny volana aogositra 2021, amin’ny “prothèses” ho an’ny olona manana fahasembanana, mifanaraka amin’ny lalàna velona eo amin’ny andinin-dalàna mifehy ny haban-tseranana, laharana 9021.10 00.
Nihaona tamin’ny masoivohon’i Chine sy ny tale jeneralin’ny orinasa SMATP tetsy amin’ny foiben’ny orinasa tetsy Ankorondrano ny governoran’Analamanga Rasoamaromaka Hery, omaly. Hanatsara bebe kokoa ny asa fanamboaran-dalana izay imasoan’ny faritra Analamanga ny diniky ny telo tonta.
Nandray ny fitaovana andiany voalohany hoentina hampandehanana ny tobim-pahasalamana an-tsekoly ny Cisco Toamasina II, omaly. Ho an’ny Cisco Toamasina I kosa, novatsiana fanafody sy fitaovana fanampiny ny tobim-pahasalamana an-tsekoly entina hanampiana tosika ny fampandehanan-draharaha ao an-toerana.