“Jaipur Foot Camp” : olona 500 hahazo rantsam-batana maimampoana

« Tsy fitaovana ara-pitsaboana fotsiny fa antoky ny fahaleovantena sy ny fahafahana ny Jaipur Foot. Varavarana manokatra lalana entina manatanteraka vina vaovao, mitarika antsika amin’ny tetikasa maharitra sy fandrosoana azo tsapain-tanana ny fanomezana avy amin’ny BMVSS » , hoy ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, omaly, teny Andraharo.

Natomboka tamin’ny fo­mba ofisialy, omaly, teny Andraharo ny fa­metrahana rantsam-bantana artifisialy amin’ny tetikasa “Jaipur Foot Camp”. Reny mpiahy ny hetsika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy. Olona 500 ahitana ankizy, tanora sy zokiolona manerana an’i Ma­da­gasikara (Moramanga, Tao­la­gnaro, Antsohihy, Antsi­ra­nana) manana fahasembanana satria notapahana ny tongotra na ny tanana no hametrahana ireo rantsam-batana ireo. Haharitra 42 andro ny hetsika hametahana ireo fitaovana medikaly ireo eny amin’ny Galaxy Andraharo. Voa­laza fa 10%-n’ny Malagasy no manana fahasembanana. Ny taona 2022, olona 260 notapahana tongotra ihany no tonga nangataka solon-tongotra teny amin’ny Centre d’appareillage de Madagascar (CAM) noho ny halafosan’ny saran’ny fametrahana ireo solon-tongotra artifisialy ireo.
Tsy takatry ny besinimaro ny saran’ny “prothèses” ary mbola sarotra koa ny fanarenana “réeducation” aorian’ny fametahana ireo fitaovana ireo. Ankoatra ny fampitaovana, hisitraka fampiofanana sy fanamafisana fahaiza-manao ihany koa ireo teknisiana ao amin’ny Centre d’Appareillage de Madagascar (CAM) eny Befelatanana. Sambany eto Madagasikara no misy fanolorana “prothèses” faobe toy izao. Ny fikambanana Maha­tsangy miaraka amin’ny Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti (BMVSS) avy any Inde no nitondra ny tetikasa.
Azo enti-miasa ny fitaovana

Omen’izy ireo maimaimpoana ny fitaovana izay maivana satria vita amin’ny plastika ary mahazaka hafanana sy hamandoana, azo entina mia­sa na eny amin’ny tontolo ambanivohitra aza. Nason­gadin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, nandritra ny kabariny fa “ ny fizarana ny fitaovana dia hamelona indray ny fanantenana ho an’ireo mpiray tanindrazana izay maniry ny hiverenan’ny fahafahan’izy ireo mamindra ary hanana fahaleovantena”. Nanamora ny fanatanterahana ny tetikasa ny governemanta malagasy tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny governemanta indianina amin’ny alalan’ny masoivohon’i Inde eto Mada­gasikara.

Vonjy

Partager sur: