Kaominina Manazary : olona roa maty nilatsahan’ ny havandra

Nilatsahan’ny havandra, taraiky tao anaty tatatra ny raim-pianakaviana iray ka maty. Ramatoa iray hafa koa lasibatra.

Niara-matin’ny havandra tao amin’ny tanànan’ Antsahamaroloa, fo­kon­­­­ta­ny Beapombo, kaominina Manazary, distrikan’i Mi­arina­rivo, ny alatsinainy 11 novambra teo, ny raim-pianakaviana sy ramatoa iray. Na­norana ny andro tao amin’io kaominina io, ny hariva na­nomboka tamin’ny 6 ora. Raim-pianakaviana 45 taona sy ramatoa iray 37 taona samy tratra hariva. Nilatsa­han’ny havandra niseo lany nandritra ny minitra vitsy izy roa. Vokatry ny hamafin’ny fahavoazana, samy lavo tao anatin’ny rano izay niakatra vokatry ny rotsakorana izy roa ireo. Niezaka nijery azy ireo ny fokonolona saingy tsy nisy na inona na inona azo natao in­tsony. Tapitr’aina avokoa ireo olona roa nilatsahan’ny ha­vandra. Nalain’ny fianakaviany izay monina tsy lavitra teo ny vatana mangatsiakan’ireo olo­na roa niara-namoy ny ainy ireo. Ankoatra io fahaverezan’ aina io, potika avokoa ny an­ka­maroan’ny fambelan’ireo tan­tsaha rehetra tao amin’ity kaominina voakasika ity. No­ra­ra­fan’ny havandra ny fiharian’izy ireo ka tapitra simba. Nanampy ny fahavoazana raha teo ny fiakaran’ny rano.

Tsiferana R.

Partager sur: