Fandaharanasa goavana vinavinain’ny fitondram-panjakana ny lalana vita godirao, « La Route du Soleil ». Miainga any Ambovombe, manaraka ny morontsiraka atsinanana ary mipaka any Ambilobe.
Maherin’ny 2 000 km ny halavan’ny lalana atao godirao « Route du Soleil ». Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry, nandritra ny tafatafa nataony tao amin’ny televizionam-panjakana, ny alahady alina teo, fa zava-dehibe ity tetikasa ity sady stratejika. Lalana hatao godirao mampifandray ny any Ambilobe, mandalo ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara manontolo, hatrany Ambovombe, mipaka any Taolagnaro.
Nambaran’ny filoha Rajoelina Andry sady nohamafisin’ny minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny alatsinainy teo, fa efa misy na nahitana famatsiam-bola ny mihoatra ny 50% amin’ireo fanamboaran-dalana ireo. Anisan’ny ampahan-dalana efa vita, ny mampitohy an’i Manakara-Mananjary, mirefy 110 km, eo koa ny Vohemar-Ambilobe. Mandeha ny asa Ambovombe-Taolagnaro, Manakara-Irondro, Antsampanana-Toamasina.
Misy koa ny efa voalahatra fa hatomboka, toy ny Ebakika-Somisika, ny Mahasianaka-Vangaindrano.
Hanafaingana ny fampandrosoana
Anisan’ny mbola hikarohana mpamatsy vola ny lalana Antalaha- Mananara Avaratra, ny Foulpointe- Fenoarivo Atsinanana- Soanierana Ivongo. Eo koa ny Antsampanana – Vatomandry – Mahanoro – Nosy Varika hatrany Mananjary. Manampy ireo ny Manakara-Farafangana- Vangaindrano.
Hitondra sy hanafaingana ny fampandrosoana sady hanatsara ny fiainan’ny vahoaka ny tetikasa « Route du Soleil ». Tetikasa hiaraha-miasa amin’ny mpiara miombon’antoka sy ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry, fa efa nanana fikasana hampifandray mivantana an’ Antsiranana sy Toliara ny filoha teo aloha, Ratsiraka Didier, saingy tsy tanterany hatramin’ny farany.
Njaka Andriantefiarinesy