Mangarano Antsirabe : vita moderina ny EPP Vatotsara

Nasiam-panavaozana ny EPP Vatotsara ao amin’ny fokontany Mahafaliarivo, kaominina Mangarano, distrikan’ Antsirabe II, faritra Vakinan­karatra. Efa tena tranainy ary nampalaina ny mpianatra na ny nianatra taminy aza teo aloha.
Vita voatra izany amin’izao fotoana noho ny tolo-tanana nataon’ny Fondation Axian. Efitrano 5 hahafahan’ny mpianatra 229 mianatra no nohavaozina tanteraka ho azo ianarana sy hampazoto ireo mpianatra sy mpampianatra. Ny toeram-pidiovana sy ny tahirin-drano hahafahana ma­matsy ny sekoly ihany koa dia namboarina tanteraka, izay hiantoka ny famatsiana rano madio sy ara-pahasalamana.
“Tsy ny ankizy rehetra no misitraka sekoly tsara endrika sy maha te hianatra toy izao anay eto amin’ny EPP Vatot­sara izao fa nanana tombony izahay nahazo fotodrafitrasa mamiratra sy voadio toy izao”, hoy ny talen-tsekoly.
Sady mampisokatra ny sain’ny mpianatra no hamparisika azy ireo amin’ny fianarana ataony ny fananana sekoly vita tsara.
Tetikasa nahafahana ni­tondra tohana ho an’ny sehatry ny fampianarana any amin’ny faritra, amin’ny maha mpiara-miomobon’antoka amin’ny sehatry ny fanabeazana no natao teto Antsirabe, hoy ny talen’ny Fondaton Axian Isabelle Salabert.
Mifantoka indrindra amin’ny tontolo ambanivohitra sy alavitra, saro-dalana ny tetikasa momba ny fanabeazana ataon’ny Axian.

Tatiana A

Partager sur: