Rugby lehilahy : hiady tapakila hidirana «Top 8» ny Makis

Hotanterahina any Maroc ny 18 ka hatramin’ny 25 novambra ho avy izao ny lalao fameno, hiadiana ny tapakila hidirana ao anaty “Top 8”, taranja rugby lalaovina olona 15 ho an’ny sokajy “senior” lehilahy. Anisan’ireo firenena hiady izany ny Makis de Madagascar. Raha tsy misy ny fiovana hanainga ny alahady 17 novambra izao, ny delegasiona malagasy ahitana mpilalao 30 mirahalahy. Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’ny liona tsy voafolak’i Cameroun eo amin’ny manasa-dalana ny Makis de Ma­dagascar, ny alarobia 20 novambra ho avy izao.
Raha tafavoaka eo ny Makis, hiatrika ny famaranana amin’izay tafavoaka eo amin’i Maroc sy i Botswana.
Efa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny Makis de Madagascar amin’izao fotoana izao. Nisy fiovana ny endriky ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ity satria maro ireo mpilalao vaovao mandrafitra azy. Na izany aza, efa niatrika lalao iraisam-pirenena ny sasany tamin’izy ireo ka anisan’ireny ny fiatrehana ny fihaonana natao tatsy Maurice ny volana jona lasa teo. Midika izany fa tsy vaovao amin’izao fihaonana any Maroc izao izy ireo. Raha ny tombana, mety ho ny Makis sy i Maroc no ho tafavoaka. Manan-tombo ara-taratasy mantsy ireo ekipa roa tonta ireo. Na ambany noho ny Makis aza ry zareo Came­roun, mila mailo satria mivoatra ny rugby eto Afrika amin’izao fotoana izao.

Tompondaka

Partager sur: