Hotanterahina any Japon, ny 15 hatramin’ny 17 novambra ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja
«parkour». Manana atleta roa hisolo tena amin’izany i Madagasikara, dia Rakotoarijaona Dinah sy Ranaivomanana Serge. Tsiahivina fa miisa 100 mahery eo ny mpifanintsana amin’ity fifaninanana ity.
Anisan’ireo mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenenan’ny taranja tenisy anaty efitrano, Padel, “Beau Plan FIP Star” any Maurice, ny vehivavy malagasy, amin’izao fotoana izao. Hiaro ny voninahim-pirenena amin’izany i Fitia sy i Prisca. Tsara marihina fa hifarana ny 17 novambra ho avy izao ity fifanintsanana ity.
Nifarana ny 10 novambra teo, teny amin’ny kianja Elgeco Plus, By-pass, ny fampiofanana mpanazatra hahazoana ny diplaoma “Licence C CAF”. Tsara ny mampatsiahy fa nahatratra 30 ny isan’ireo mpandray anjara tamin’izany ary efa nanomboka ny 4 novambra lasa teo izy ireo nanomboka niofana.
Manoloana ny ratra mahazo an’ireo mpilalao Real Madrid Espagne, mandeha ny resaka ao anaty tambajotran-tserasera fa mikasa haka vodilaharana ity klioba tompondaka farany ny la Liga sy ny Ligue des Champions ity. Azo heverina ihany koa ny mety hiverenan’i Sergio Ramos ao Madrid.