TARATRY ny KANTO

“Tsiahy an’i Elie Rajaonarison”. Hotontosaina anio ilay velakevitra iarahana amin’ny Faribolana Sandra­tra, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Hitarika izany Ranoe, anisan’ireo indray nihira sady mpiray faribolana tamin’i Elie Rajaonarison. Maromaro ny azo resahana momba ity poeta, mpamoron-kira, akademisianina izay nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny literatiora ity.
Tambours Gasy, etsy amin’ny NO Comment Bar Isoraka. Hanjakan’ny dobok’amponga indray ity toerana ity anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitondra ny fahaiza-manaony eo amin’ny filalaovana ga­dona maroloko ry Rainitelo sy ny tariny, mandritra izany. Feon-kira marodona sy mitondra ireo mpiala voly any amin’ny tontolon’ny kanto hatrany no lalaovin-dry zalahy ireto.
Haharitra enim-bolana ny fampiratiana “Tra­non’ny velona” eny amin’ny Musée de la Photogra­phie Anjohy. Sary pika 250 sy sary lasitra 14 no mandravaka ny hetsika. Ny “Tranon’ny velona” izany maneho ny karazana trano misy eto Madagasikara sy manasongadina ny rohy misy eo amin’ny Malagasy sy ny tranony.
Kabary, hiatrika ny atrikasan’ny fampianarana sy fiofanan’ny mpampianatra andiany fahatelo ny Fi­kam­ba­nan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) ma-neran-tany. Ton­tosaina, anio, amin’ny 8 ora alina (ora any Eoro­pa) ny fiofanana. Afaka manaraka izany ny mpampianatra kabary rehetra ao amin’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Amin’ny ala­lan’ny «zoom» no hanatanterahina izany. Rakotoni­rina Michel (Diadema), Rahantahari­manana Sylvia ary Andriam­boavonjy Hanitriniaina no hitondra ny fampianarana.

Partager sur: