Namoy ny ainy tao Beronono Anjozorobe ny Officier de police iray, omaly maraina. Miasa ao amin’ny Fip Antanimora ity mpitandro filaminana ity saingy namita iraka fampandrian-tany tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny. Voalaza fa tratran’ny fanapoizinana tamin’ny sakafo izy ka antony nitarika ny fahafatesany. Nivoaka avy ao amin’ny andiany Mandresy teny amin’ny ENSP Ivato izy.
Mbola hifampitadiavana, amin’izao fotoana, ireo roa lahy nandositra ny fonjaben’i Tsiafahy. Samy voaheloka higadra asa an-terivozona noho ny fanafihana mitam-piadiana sy fikambanan-jiolahy izy roa lahy. Hanary fako no nivoahany ny fonja kinanjo tsy niverina intsony.