VAOVAO TAMBATRA

Maharitra 100 andro ny fe-potoana fambolena vary an-tanety any amin’ny faritra Androy sy Atsi­mo Andrefana, raha 90 andro ny katsaka. Mandritra ny 150 andro kosa ny vary an-tanety ho an’Alaotra Man­goro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinanka­ra­tra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Ihorom­be, raha 120 andro ny fambolena katsaka. Marihina fa miankina amin’ny rotsakorana miampy ny hafanana no mampitombo azy ireo.

Mihena hatrany ny vokatra aondran’i Mada­gasikara mankany ivelany nandritra ny taona 2024. Miteraka fatiantoka goavana eo amin’ny tsena izany. Nihena -4,1% amin’ny harinkarena faobe ny fatiantoka ara-barotra nandritra ny telo volana faharoan’ny taona raha oharina tamin’ny taon-dasa, izay -2,3%. Mitotongana ny tinady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny olana ara-toekarena maneran-tany.

Mahatratra 9 000 taonina ny vokatra kabaro ao amin’ny faritra Menabe. Niakatra izany vokatra izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 7 000 taonina. Tsara ny rotsakorana nialoha ny fotoam-pambolena ka nety tamin’ny famokarana. Mitotaly 5 000ha ny velaran-tany hambolena ny vokatra, izay mbola azo hitarina amin’ny faritra hafa. Maniry ny hisian’ny fifanarahana ara-barotra ireo mpamokatra hampiroboroboana ny seha-pihariana.

Partager sur: