Vokatra fanondrana: hiakatra ny vidin’ ny letisia

Mihena hatrany amin’ny 50% ny vokatra letisia mandritra ny taom-piotazana 2024-2025 noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Niroso aloha loatra ny taom-piotazana raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Vokany, tsy maintsy hiakatra ny vidim-bokatra eny an-tsena manoloana ny zava-misy. Manodidina ny 18 000 taonina ny vokatra haondrantsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ary samy efa niomana hatry ny ela ireo mpisehatra rehetra. Ankehitriny, efa migadona ao amin’ny ny seranan-tsambon’i Toamasina ihany koa ireo sambo roa avy any Eoropa haka ireo vokatra eto amintsika.
Mampidi-bola ho an’ny firenena ny seha-pihariana letisia. Nahatratra hatramin’ny 60 000 taonina ny vokatra tamin’ny taon-dasa izay nampidi-bola hatramin’ny 54, 384 miliara Ar. Tsiahivina fa nisokatra ao Toamasina tamin’ny herinandro ny « gui­chet unique » mandray ireo taratasim-pangatahana ho an’ireo mpandraharaha te hividy sy hitatitra ny vokatra manerana ny Nosy. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, miisa 941 ireo tonga nikarakara ny taratasy fahazoan-dalana.

Henintsoa H.

 

Partager sur: