Andriantsizehena Benja Urbain : “Tsy misy intsony ny fanajana ny etika matoa leo politika ny olona”

Mihamahazo vahana miandalana ny hoe tsy miankina amin’ny fanaovana politika amin’izao. Nahoana? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain. ” Matoa ny olona miteny hoe leo mpanao politika, tsy misy intsony ny fanajana ny etika.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tsy miankina mihamahazo vahana sy toa manjakazaka aza amin’izao?
Andriantsizehena Benja Urbain (-): Ny tsikaritra amin’ izao fotoana izao, tena marina ny hoe manjakazaka ny tsy miankina. Raha misy ny fiarahan’ny antoko politika, tokony hisy ny tombontsoa iombonana ao anatin’izay fiarahana izay. Ao anatin’ny Armada ary mivondrona ao anatin’ny Irmar ny RPSD izao, nefa mahatsapa tena voailikilika. Izay izany no mahatonga ny tsy miankina lasa matanjaka. Satria fisedrana fifidianana no maha antoko ny antoko. Rehefa tsy hay ny misafidy ny kandidà harotsaka amin’ny fifidianana, lasa mirotsaka amin’ny tsy miankina ny olona tokony ho lany. Izay no tena lesoka be amin’ izao: fahadisoana amin’ny fanolorana kandidà.
* Inona na ahoana no ha­narenana an’izay?
– Ny hanarenana an’izay: tokony hahatsapa tena ny an­toko politika, ny ao anatin’ny fi­tondrana, ohatra, no raisiko satria ao anatin’ny fitondrana aho: ha­hatsapa tena tsy hanilikilika namana. Rehefa amin’ny fanolorana kandidà, tokony hiaraha-mandinika hoe: iza ny olona tokony ho voafidy? Miara-manohana ny olona tokony ho voafidy ny tsirairay… Izao hatrany no iainana, raha mbola misy kajikajy politika mandeha ambadibadika.

* Ahoana ny hoe leo mpanao politika ny olona?
– Matoa ny olona miteny hoe leo mpanao politika, tsy misy intsony ny fanajana ny etika politika sy ny fitsipika amin’ny fanaovana politika. Nefa tsy azo ialana ny antoko politika raha vao fifidianana. Mila fanarenana izay ho an’ny antoko tsirairay. Tsy maintsy misy ny fandeferana… Tokony hajanona ny hambom-po politika, fa ny tombontsoa ambony iarahana no jerena. Matoa manangana antoko politika, tokony hisedra fifidianana izany, fa tsy tokony hijanona amin’izao… Na mandray anjara amin’ny fifidianana depiote, na mandray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Ny RPSD izao, noho ny tsy fahampian’ny enti-manana: miditra any amin’ny Irmar ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Nefa misy koa ny mirotsaka amin’ny anaran’ny RPSD.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: