Hifantoka ao amin’ny kianja Loftus Versfeld Stadium Pretoria, Afrika Atsimo, avokoa ny sain’ny mpitia baolina kitra rehetra, anio. Hotanterahina amin’ity alakamisy ity mantsy ny fihaonana miverina hikatrohan’ny Barea de Madagasca sy ny Aigle de Carthage Tunisie. Lalao tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Can 2025”, hatao any Maroc.
Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika an-dry zareo tonizianina ary tapakevitra ny haka fandresena amin’ity. Tsiahivina fa hanala vela ny Barea, izay efa resin-dry zareo, tamin’ny isa tokana, 1 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso. Efa any an-toerana avokoa ireo mpilalao rehetra nantsoin’ny mpanazatra. Nifantoka tamin’ny fanafainganana ny fanafihana sy famonoam-baolina ny fanazarantena farany notanterahina, omaly alarobia. Ambony ny moralin’ny mpilalao rehetra, hiatrehana ity lalao anio ity. Tsy misy kajikajy azo atao intsony fa tsy maintsy mitady fandresena ny Barea raha te hiandrandra ny ho any Maroc, amin’ny taona ho avy.
Tompondaka