Hotanterahina eto Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja basikety 3×3.
Vonona amin’ny fandraisana i Madagasikara. Efa tomombana amin’ny ankapobeny ny fandraisan’i Madagasikara ny “Africa Cup 3×3”, izay higadona afaka tapa-bolana, araka ny tatitra nataon’ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ny komity mpikarakara ny fifaninanana, omaly. Naneho ny fahavonona hifanolo-tanana ihany koa, tetsy ankilany, ireo mpiara-miombon’antoka marobe, ahitana ny Telma, izay mpanohana ofisialy no sady teo anilan’ny basikety malagasy foana hatramin’izay, ny Canal+, Radisson Blu, Assurance Aro ary ny XXL. Nambaran’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel, fa tsy moramora ny mikarakara fifaninanana iraisam-pirenena saingy misy ireo mpanohana manampy izay notolorany fisaorana. Ekipa 24 eto Afrika hifaninana. Efa fantatra avokoa ireo firenena ho avy eto Madagasikara, ahitana an’i Alzeria, Bénin, Central Afrique République, Egypte, Kenya, Liberia, Mauritanie, Maroc, Rwanda, Seychelles, Afrika Atsimo, Ouganda ary i Kaomoro. Ekipa 13 ho an’ny sokajy lehilahy ary 11 ho an’ny sokajy vehivavy, no hiady ity amboaran’i “Afrika 3×3” ity. Mafy avokoa ireo ekipa ireo saingy nanoman-tena mafy, efa ho iray volana mahery, ny Ankoay ka vonona tanteraka. Mbola hihamafy ny kotrana ho an’ny Ankoay mandra-pahatonga ny andron’ny fifaninanana. “Matoky ny mpilalaoko aho ary matoky ireo mpanazatra”, hoy ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel. Mpilalao 6 vavy (i Christiane, Muriel, Sarobidy, Sydonie, Chine ary i Sambatra), 6 lahy ( i Fiary, Arnol, Livio, Elly, Anthony ary i Faralahy), no hitiliana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Mpilalao 4 lahy sy 4 vavy no hotsongaina amin’izy ireo. Razananirina Prisca sy Rakotomalala Mathieu no mpanazatra ho an’ny vehivavy, raha toa ka Randrianarivelo Jean de Dieu sy Rakotonirina Eli Mickael kosa ho an’ny lehilahy. Misy mpitsara iraisam-pirenena malagasy iray hitsara lalao, ahitana an’i Tojo.
Mi.Raz