Nihaona tamin’ireo mpampiofana sy mpandraharaha eo anivon’ny LTP Beravina Fianarantsoa, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Nohamafin’ny minisitra fa zava-dehibe ny fidinana toy izao ahafantarana ny mety ho olana sedrain’ny Lycée teknika. Hitondra vahaolana mifanaraka amin’izany ny minisitera, araka izay tratra sy azo atao, hoy izy.
Misy ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny LTP Beravina sy ny Semipi. Miofana mandritry ny telo taona amin’ny alalan’ny Formation téchnologique générale (FTG) ireo mpianatra ary misy karazany roa ny sampam-piofanana: ny Genie civile sy ny Genie industrielle.
Ankoatra izay, misy koa ny fiofanana ho teknisianina amin’ny fanaovana rarivato sy ny fanefena vato. Ireo miaramila ao amin’ny Semipi no manaraka ireo karazam-piofanana ireo ahafahany mampivady asa ankoatra ny maha miaramila azy.
Efa nitsidika ny CFP Tsianolondroa sy ny CFPF Fianarantsoa koa ny minisitra sy ny ekipany nandritra ny fandalovany tao Fianarantsoa.
Vonjy