Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny Jly Mohamed Abdelsadek Abdelgil Farg, tomponandraikitra ny fiarovana egyptianina.
Nanamafy ny fahavononan’i Egypta hiara-miasa ara-tafika amin’ny firenena malagasy izao fihaonana izao. Fiaraha-miasa hiompana amin’ny fampiofanana miaramila malagasy amin’ny sehatrasa maro mba hampitomboana ny fahaiza-manao, hanomezana teknika amin’ny lafiny fiarovana. Nanamafy ity manamboninahitra jeneraly ity fa tsy voatery handeha any ivelany intsony ny miaramila malagasy fa tafiditra ao anatin’ny vinan’asa hoentin’ny Tafika egypisianina ny handefa miaramila manam-pahaizana hizara ny traikefany eto Madagasikara. Nohamafisin’ny MFA fa misokatra amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny Tafika Malagasy ary vonona hatrany hitarika amin’ny fivoarana sy fampandrosoana ho an’ny tsirairay.
Taorian’ny fitsidihan’ity manamboninahitra egypsianina ity teny amin’ny MFA, tonga nitsidika ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo, teny Andohalo, indray izy. Voaresaka tao anatin’ny fihaonana ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ ny Tafika Malagasy sy ny Tafika egypsianina. Niompana tamin’ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy amin’ny alalan’ireo fampiofanana maro isan-karazany ny fiaraha-miasa.
Jean Claude