Tanterahina eny amin’ny Motel Anosy, nanomboka omaly hatramin’ny 15 novambra izao, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tomponandraikitry ny sora-piankohonana eny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra. Fiofanana karakarain’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarina ny tany, amin’ny alalan’ny « Institut national de la décentralisation et du développement local » (INDDL), tohanan’ny masoivohon’i Frantsa sy ny Organisation internationale de la francophonie (OIF). Ny mahakasika ny fikirakirana ny sora-piankohonana no halalinina mandritra izany.
Tanjona, amin’izany, ny hahamatihanina ireo mpanao ny asa sy ny hanamorana ny fahazoan’ny vahoaka sora-piankohonana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny asan’izy ireo. Amin’ny ankapobeny, efa tomponandraikitra an-taonany maro teo amin’ izany fikirakirana taratasim-panjakana izany ireto mpiofana ireto. Fanamafisana ny fahaiza-manao sy fanatsarana ny fomba fiasa, araka izany, no tena natao.
Anisan’ny paikadin’ny fitondram-panjakana ny fanomezan-danja sy fanajana ny maha olona. Tafiditra ao anatin’ izany ny fampiofanana natao, mba hanamorana ny fahazoan’ ny olom-pirenena sora-piankohonana, izay anisan’ny zo fototra tokony hositrahany.
Lin