Fivondronamben’ny eveka :Voafidy ho filoha ny Mgr Ralamboniaina F.

Voafidy ho filohan’ny Fi­vondronamben’ny eveka eto Madagasikara na Conférence épiscopale de Madagascar (CEM) indray ny evekan’ny diosezin’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Fabien, izay efa nitana izay andraikitra izay tamin’ny fotoam-piasana teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny fivoriambe fanao isan-taonan’ ny CEM amin’izao fotoana izao ny fanavaozana ny birao maharitra, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sekretera mpandrindra, mompera Rafa­nomezantsoa Seraphin, omaly. Voafidy ho filoha lefitra kosa ny evekan’ny diosezin’Antsi­rabe, ny Mgr Randriantsoa­vina Pascal, ary sekretera jeneraly ny evekan’ny diosezin’i Miari­narivo, ny Mgr Rakotoarisoa Jean-Claude. Telo taona ny faharetan’ny fe-potoam-piasan’ny birao maharitra eo anivon’ny CEM. Ankoatra ny fandinihana ny raharaha anatiny eo anivon’ny fiangonana katolika, heverina fa anisan’ny dinihina amin’izao fivoriambe izao koa ny fiainam-bahoaka miainga avy amin’ny diosezy tsirairay. Eo ihany koa ny amin’ny raharaham-pirenena ankapobeny.

R. Nd.

Partager sur: