Notanterahina tany Fianarantsoa, tamin’ity herinandro ity, ny fihaonambe voalohany, ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna (HCDDED). Nivoitra tamin’izany ny hiatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna.
Niompana tamin’ny famelabelarana momba ny HCDDED sy ny fifidianana ny fihaonana. Notsindrin’ ny filohan’ity rafi-panjakana ity, Ranadialison Angelo, tamin’ izany ny momba izao hiatrehina ny fifidianana izao. “Singa iray lehibe ho an’ny demokrasia ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolontsainy hatao ny 11 desambra ho avy izao. Manentana, mitarika ny olom-pirenena manan-jo hifidy izahay”, hoy izy. Nanteriny fa fandraisana andraikitra amin’ny fiainam-pirenena sy ny fanajana ny fenitra demokratika izany. Nasongadin’ny mpandray anjara tamin’ny adihevitra kosa anefa ny havitsian’ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy sy ny heverina ho sakantsakan’ny olom-pirenena amin’ny fifidianana.
Fahantrana sy ny olan’ny eny ifotony
Voateny mivantana koa ny fahantrana misy sy ny tsy fijerena ny tena iainan’ny mponina eny ambanivohitra sy any ifotony. Samy nifampizarana tao avokoa izany. Notsiahivina tamin’izany koa ny andraikitry ny HCDDED. Eo ny fanaraha-maso ny fahaiza-mitantana, ny fampiroboroboana ny demokrasia ary ny fanajana ny zon’olombelona. Tsy nisalasala ny mpitarika politika, mpandraharaha, manampahaizana sy mpampianatra nisotro ronono naneho ny fijeriny manoloana ny fiainam-pirenena. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpianatry ny Oniversiten’Andrainjato izany avy eo. Nampanantena ny eo anivon’ity rafi-panjakana ity fa hijoro hatrany sy handray ny andraikiny ampahitsiana tsy misy tsindry.
Niatrika izany ireo solontenam-panjakana, tomponandraikitry ny filaminana, raiamandreny, mpitarika politika, mpampianatra mpandalina, mpitarika fiarahamonim-pirenena sy olon-tsotra. Teo koa ny mpianatra sy mpandraharahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa.
Synese R.