Kandidà Harilala Ramanantsoa :”Tsy misy azo atao raha tsy miaraka amin’ny fitondrana”

“Resy lahatra aho fa tsy misy azo atao loatra, raha tsy miaraka ary mitovy fijery amin’ny fitondram-panjakana.” Io ny tenin’ny kandidà lah. 7, atolotry ny vondrona Irmar ho ben’ ny Tanàna, Antananarivo Reni­vohitra, tamin’ny vahoakan’i Soavimasoandro, boriborin­tany V, omaly. Mandeha haingana kokoa sy mahavita zavatra bebe kokoa ary indrindra tsy mitaredretra ny miaraka amin’ ny fitondrana. Noho izany, no­taominy ny rehetra hametraka fandaharanasa matotra hotanterahina, tena hotanterahina. Miketrika hatrany any amin’ny sainy sy ny fony izay hahatongavana amin’ny fampandrosoana ny filohan’ny Repoblika. Mila azy hitantana ny tanàna izy, ary mila ny tsirairay hiasa sy handray andraikitra miaraka. “Fantatro ary manantena sy manana finoana aho fa mbola azo alamina tsara ny tanàna. Mbola azo arenina tsara izay simba sy rava. Isika miaraka no mahavita an’izay”, hoy ny kandidà Harilala Ramanan­tsoa. Hoforonina izany ny asa ho an’ny tanora, vehivavy, lehilahy… Maro ny fotodrafitrasa sy filana ao amin’ny boriborintany V. Entina amin’ny alalan’ny asa ny fanovana.

R. Nd.

Partager sur: