Niara-maty ny olona 16 mianadahy, afakomaly alina, tao Tsarahotana. Nihotsahan’ny tany tampoka ny lakam-by nitondra azy ireo raha naka sisin-drano, saika hampidina mpandeha.
Niampatrampatra ny faty! Niara-namoy ny ainy ny vehivavy sivy sy lehilahy fito ny alin’ny talata lasa teo. Naka sisin-drano saika hampidina ny mpandeha teo am-pahatongavana, tany Tsarahontana, distrikan’i Belo Tsiribihina no tra-doza ny lakam-by na kanota nitondra azy ireo. Tsy nisy nanampo ny mpandeha, samy efa niomana ny hody. “Nihotsaka tampoka anefa ny tany teo amin’ny moron-drano. Nilatsaka tao amin’ny tafo izany”, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Tsarahotana.
Tototry ny tany tao anaty lakana avokoa ireo mpandeha am-polony izay tsy mbola nisy tafavoaka ny kanota. Nifampisokirana nandritra ny alina, noho izany, ireo tra-doza. Vokany, olona 16 niara-namoy ny ainy, nandritra ny loza. Ekipa miasa amin’ilay kanota ny iray tamin’ny maty. “Vehivavy ny sivy amin’izy ireo raha toa ka lehilahy ny fito”, hoy ny zandary mandray an-tanana ny raharaha. “Zazavavy ny roa ka dimy volana ny iray, sivy taona ny faharoa”, hoy hatrany ny zandary.
Avotra i Masera
Ankoatra azy 16 dia nisy 15 miandahy kosa avotra soa aman-tsara nandritra ity voina niseho tao Tsarahotana ity. Relijiozy ny iray amin’izy ireo. “Tsy misy ahina ireo velon’aina. Mitaraina ho marary eo amin’ ny tratrany ilay relijiozy”, hoy ny fanazavana voaray. Nentina namonjy hopitaly ireo nieren-doza. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny toeram-pitsaboana izy ireo.
Tonga any an-toerana, maka tsikelikely ny razana, nanomboka omaly maraina ny fianakavian’ny maty. “Mponina avy any Berivo, Kalarobia, ary misy avy ao Tsarahotana ireo namoy ny ainy ireo”, hoy ny tomponandraikitra misahana ny fanadihadiana azo an-telefaonina, omaly. Marihina, anisan’ ireo avotra ny mpanamory ny kanota sy ny telo lahy tamin’ ny ekipany.
Tsiferana R.