Notondrahan’ny tovolahy iray asidra ny zazavavy kely tokony ho 2 taona monina etsy Anosibe, afakomaly tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo. Niditra tampoka tao an-tokantranon’ ireto olona ireto izy ary nanondraka asidra avy hatrany ilay zaza, mbola nofahanana sakafo. Niaro azy ny rain’ilay zaza ka nitobaka tany aminy avokoa ny asidra rehetra. Nandositra avy hatrany ity lehilahy ity rehefa nahavita ny asa ratsiny. Niezaka nanenjika ireo fokonolona fa tsy nahatratra azy. Nentina tany amin’ny mpanao ody may ireo naratra taorian’izay. Niharan’ny fitsaram-bahoaka omaly maraina, teny an-toerana, io lehilahy nahavanon-doza io, rehefa tonga nifona tamin’ireo niharam-boina. Saika maty raha tsy noentina avy hatrany teny anivon’ny Brigade criminelle (BC) Anosy.
“Nivady fa efa nisaraka ilay tovolahy nanondraka asidra sy ny renin’ilay zaza”, raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakaviana. Nanambady io lehilahy voatondraka asidra io izy taty aoriana ka niteraka fialonana tamin’ilay lehilahy. Antony nahatonga azy nanao izao valifaty izao. Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana ny raharaha amin’izao fotoana izao.
Mino