Norobain’ny roa lahy nisaroN-tava : mpianatry ny CEG voafira antsy

Ankizivavy 14 taona, mpianatry ny CEG Sahavoay, niharan’ny herisetra nataona roa lahy tao Mandritsara, afakomaly. Nirava avy nianatra hamonjy fodiana, nandeha irery io ankizy io. Nanatona azy ny roa lahy nisaron-tava. Nandroba ny kitapo teny amin’ilay ankizivavy tao Ambohimahavelona. Nitondra zava-maranitra ireo mpandroba ka naratra ny tanan’ilay lasibatra. Niantso vonjy tamin’ny manodidina avy hatrany io ankizivavy io. Nandositra ireo tovolahy roa. Niezaka nampandre ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana hianarany ary nikaroka ny nahavanon-doza izy ireo. Tsy hita popoka ireo roa lahy. Nametraka fitoriana eny anivon’ny manam-pahe­fana ny fianakavian’ilay ankizy lasibatra. Miahiahy ny mpo­nina ao an-toerana manoloana ny asa ratsy ataon’ireo jiolahy. Tsiahivina, nahitana fatim-behivavy tsy fanta-piaviana miala 7 km ny tanànan’i Mandritsara, herinandro lasa izay.

Tsiferana R.

Partager sur: