Tafiditra ho anisan’ny mpanabe ny mpampianatra, ray aman-dreny, mpitarika fikambanana isan-tsehatra, ireo mpitantana isan-tsokajy, mpanoratra, mpikirakira sy mpanaparitaka vaovao (haino vaky jery), ny mpanakanto sy ny kanto ataony, sns. Samy ahitana sy miaina ny fahaverezan-kasina avokoa izy ireny matoa tonga amin’izao fahapotehana izao i Madagasikara. Very hasina noho ny fanivaivana sy ny tsy fanomezan-danja ny asa sahaniny. Ny mpampianatra, ohatra, zara raha mahazo ny valin-kasasarany… Sarotra ny manarina ny lesoka, satria, efa zary iainana sy mahazatra ny tranga tahaka ireo.
Mila rafitra sy lamina vaovao manaja ny hasin’ny mpanabe, raha tiana ny hanan-taranaka vanona sy vonona hanarina an’i Madagasikara. Tsy iandrasana fanampiana avy any ivelany ny fanatanterahana izany mba hisorohana ny fiankinan-doha sy ny baikom-bahiny izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoany.
… Hatramin’izao, anefa, mbola ny fotom-pisainana vahiny no mibahan-toerana ao amin’ny ankamaroan’ireo mpanabe sy ny sehatra misy azy tsirairay. Fa maninona, ohatra, no teny vahiny no hoenti-manabe ny taranaka malagasy?
HaRy Razafindrakoto