Voatendry ho mpitondra ny feon’ireo Nosy rehetra aty Afrika i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ireo firenena mikambana ao anatin’ny Vovonana SIDS/Pied ho an’ny jono sy toekarena manga.
Hifarana anio, ao Naivasha Kenya, ny kongresy faharoa eo anivon’izany vovonana izany rehefa nanomboka afakomaly. Fihaonan’ireo komity mpanantanteraka eo anivon’ny tambajotran’ny fampamokarana anaty rano aty Afrika « Aquaculture Network in Africa – Anaf ». Miisa enina amin’ireo firenena 55 mpikambana ao anatin’ ny Anaf no voafidy handrafitra ity komity teknika ity. Anisan’ny fehin-kevitra andrasana hivoaka aorian’izao fikaonandoha izao ny paikady farany izay hiasan’ ny Anaf ka haroso mandritra ny kongresy fahatelo sy ireo volavolavolan-kevitra hatolotry ny solontena handray anjara mandritra ny “Afraq 24”, “Conférence africaine sur l’aquaculture “, ho fampandrosoana ity sehatra ity.
Tsiahivina fa tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny maha ao anatin’ity komity teknika ity, araka ny nambaran’ny solontena avy amin’ny minisiteran’ ny Jono sy ny toekarena manga. “Afaka mandray ny traikefa avy amin’ny firenena mpikambana hafa isika no afaka mizara koa ireo ezaka sy asa mafy ikirizan’ny ekipan’ ny minisitera amin’izao fotoana izao”, hoy izy ireo.
Synèse R.