Hiasa eto Madagasikara ny orinasa sinoa Shanghai Huiyou Investment Group. Hitondra 100 tapitrisa dolara izy ireo, hanodinana ny vokatry ny fambolena.
Vita, omaly, ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny orinasa Shanghai Huiyou Investment Group sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Hiompana amin’ny tetikasa hiantohana ny fiandrianam-pirenena sy ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara izany. Mitentina 100 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola. Tanjona ny hampiroborobo ny fanodinana ny vokatry ny fambolena, ny hanamafisana ny rojom-piharina. Ao anatin’izay ny fampitomboana ny fampiasam-bola ho an’ny seha-pamokarana sy ny famoronan’asa ary ny hampihena ny fahantrana.
Natao izao hanatrarana ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny firenena. Voaresaka nandritra ny fihaonambe momba ny ady amin’ny hanoanana maneran-tany « World Without Hunger Conférence » tany Addis-Abeba-Ethiopie, ny herinandro teo, ny lafiny famokarana, ny fanodinam-bokatra, ny famatsiam-bola ary ny fampifandraisana ireo sehatra mpiara-miombon’antoka rehetra. Atao laharam-pahamehana ny fametrahana ny faritra fampiasam-bola indostrialy hanodina ireo vokatra (zones d’investissements agroindustrielles). Tanjona ny hampihena ny fahaverezam-bokatra aorian’ny fiotazana sy hifehezana ny tsena ary ny kalitao.
Fanamby
Vinam-panjakana ny hamerina an’i Madagasikara ho sompitry ny vary aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina sy i Afrika. Ilaina ny fananana politikam-panjakana sy paikady mazava ary fahaiza-mandridra ny andraikitry ny mpisehatra rehetra. Noho izany, nizara traikefa amin’ny ady ataon’i Madagasikara amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny Sekreteram-pankajana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Razanamahefa Tahiana, nandritra ny fihaonambe. « Mila omen-danja ny fanovana ny sehatry ny fambolena, ny fanavaozana ny fitaovam-pambolena amin’ny alalan’ny fampiasana teknolojia moderina, ny fametrahana ny banky ara-tsakafo, ny fanomezana hanam-pamokarana toy ny masomboly tsara kalitao sy zezika ny tantsaha », hoy ny fanazavany. Atao laharam-pahamehana, hoy izy, ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina.
Henintsoa Hani