18 ireo mpanamory handray anjara amin’ny “Rallye des litchis”. Fifaninanana hatao ny sabotsy 16 novambra ho avy izao, karakarain’ny klioba AC 501. Dingana fahadimy amin’ny fifaninanam-pirenena eo
amin’ny familiana fiarakodia izy ity. Tsy ao anaty lisitra i Mathieu sy i A.T izay efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2024.
Hizara roa ny fizotry ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy Sénior, olon-telo miaraka, lehilahy. Fihaonana tanterahina any Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 9 desambra ho avy izao. Hisy lalao atao anaty efitrano fa eo koa ny ankalamanjana. Ankoatra izay, hisy ny fifaninanana mitifitra, “tir de précision”, ary ny lalao iraisan’ny ekipa.
Laharana fahenina mendrika indrindra maneran-tany amin’ny taranja Billard Blackball, Andriamihaja Daniela. Fihaonana notanterahina tany Malte, ny 2 ka hatramin’ny 10 novambra lasa teo. 75 ny lalao nataony ka 49 fandresena avokoa. Tsy nitsanga-menatra, araka izany, i Madagasikara tamin’ity fihaonana ity.
Tsy marisika ny hijery ny lalao hikatrohan’ny ekipany ny israelianina, eo amin’ny taranja baolina kitra. Fihaonana hifandonan’i Israel sy i Fance, anio alakamisy, ao amin’ny Stade de France, izay tafiditra amin’ ny fiadiana ny “Ligue des Nations”. Matahotra ny mety hisian’ny herisetra mety hahazo azy izy ireo.