TARATRY ny KANTO

“Tolo-tanana hoan’i Rira”. Haneho firaisankina amin’ny alalan’ny fampisehoana ireo mpanakanto maromaro. Hontotsaina ny zoma 15 novambra izao io, etsy amin’ny Le Glacier Analakely. Hatao hanampiana amin’ny fitsaboana an’i Rira ny vola azo. Ity farany izay mpanakanto avy any Mahajanga, tompon’ilay hira “Baban’i Roukia”, nalaza tany amin’ny taona 90 tany.
Taorian’ny teto Antananarivo, tanterahina anio sy rahampitso, ao amin’ny Alliance française d’Antsiranana, ny fampirantiana ireo tetikasa nandresy nandritra ny fifaninanana « Art& Biodiversité ». Ho hita mandritra izany ny « Petits géants » sy ny « Madagascar sauvage » ary ny “Tontolo miaina”. Hisy ihany koa ny atrikasa sy velakevitra ary tafa iarahana amin’ny mpanakanto tompon’ny tetikasa.
Anisan’ny lesoka lehibe eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny tsy fahampianan’ny toeram-piofanana ho an’ireo manan-talenta. Samy manao izay heveriny fa mety ny rehetra, hany ka maro ny tranga tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Mba te haneho fampihomehezana, ohatra, kanefa ilay tolotra omena aza tsy manaja ny soatoavina malagasy akory.
Tsy ampy fialamboly ny Malagasy. Marina amin’ny ampahany ihany io. Tsy mahay mialavoly ny Malagasy. Tsy mahay satria nanary ny fialamboliny. Zara raha hita ao an-tokantranon’ny Malagasy ny lakam-panorona. Tsy mahafantatra, tsy mahavaly ankamantatra faran’izay tsotra indrindra ny tanora ankehitriny… Mila ampianarina any an-tsekoly ny fialamboly fanaon’ny Malagasy fahiny!

Partager sur: