Tohana AVY AMIN’Ambatovy : fitaovana 460 ho an’ny mpanjono

Nizara fitaovana sy kojakojam-panjonoana ho an’ny fikambanana miisa 9, ivondronan’ny mpanjono sy ny vadiny, ny orinasa Ambatovy, ny 11 novambra teo. Voakasik’ izany ny any amin’ny Dépôt Analankininina, Ambodisaina Ivondro ary Ambodisiny. Niarahan’Ambatovy niasa tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) sy ny ONG Crade, ny hetsika, entina hampiroboroboana ny jono maharitra. Ahafahan’ny mpanjono sy ny fianakaviany miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa, sady hanatsarany ny asa fivelomany. Fitaovana sy kojakoja nahitana harato fanjonoana miisa 90, tady 45, vata fitahirizana sy fitaterana (bacs à manutention) 108, vata fampangatsiahana enti-tanana (glacières) 45 ary mizàna fandanjana hazandrano 18.

Fampiofanana
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’Amba­tovy sy ny DREPB, natao sonia ny taona 2022, ity hetsika ity. Ankoatra ny fanohanana ara-pitaovana, nanome fiofanana mahakasika ny jono maharitra sy ny aroloza eny an-dranomasina ho an’ny mpanjono manodidina ny 460 koa ny fandaharanasa. Nisi­traka tohana tamin’ny fametrahana ny rafitra tahiry sy fampindramam-bola VSLA eo anivon’ny fikambanana ihany koa ireo mpanjono, hoenti-manatsara sy mampivoatra ny velon-tenany.

Njaka A.

Partager sur: