Vonona hanome tanana, hifanakalo traikefa, amin’i Madagasikara ny firenena Etiopianina. Modely azo alain-tahaka amin’ny fandrindrana ny ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo ity firenena ity. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « World Without Hunger Conference » tany Addis-Abeba ireo traikefa sy fomba nampiroboroboany ny sehatry ny fambolena. Hetsika niarahana tamin’ny delegasiona avy amina firenena maro maneran-tany.
Mitentina 20 tapitrisa Ar ny vola ilaina hahafahana misitraka fahazoan-dalana eny anivon’ny biraon’ny vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara. Aloa eo am-pametrahana ny antontan-taratasy ny 3 tapitrisa Ar ary tsy averina intsony. Natao ho tombontsoan’ny biraon’ny Géologie de la gemmologie et laboratoire des mines (BGGLM) izany ary havaozina isan-taona ny fahazoan-dalana araka ny sandan’ny “droits des tirages spéciaux”.
Tsy ampy 100 000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto amintsika ka voatery manafatra avy any ivelany. Manimba sy mamotika ny fiharian’ny mpiompy miankindoha amin’ny vokatra katsaka ny zava-misy. Miakatra ihany koa ny vidiny eny an-tsena ary vitsy ireo tantsaha mahatakatra izany. Ao ireo voatery mampihena ny vokatra vidiny izay miantraika mivantana eo amin’ny seha-pihariany.