Famatsiana fanafody : nahavita sidina 6 000 ireo drône miasa

Hatramin’ny taona 2019, nahavita sidina maherin’ny 6 000, nandrakotra 550 000 km ireo drône mpanatitra fanafody any ambanivohitra sy any amin’ireo toerana saro-dalana.
Nahafahana nitondra kojakoja ara-pahasalamana fototra milanja 10,100 kg manerana ny distrika 21 sy faritra 5 izany.
Ireo fitaterana natao ireo dia nahafahana nanome vaksiny ho an’ny zaza sy ankizy miisa 913 000 ary vaksiny Covid-19 mihoatra ny 53 000 ho an’ireo vondrom-piarahamonina nila izany. Maneho ny herin’ny haitao vaovao sy ny fiaraha-miasa hamonjena aina ny zava-bita.
Nitsidika ny orinasa mpanamboatra drône AAerial Metric ny lefitry ny mpandrindra ny USAID, Maria Price Detherage. Nan­ka­sitraka ny vokatsoa nentin’ny USAID tamin’ny fanohanany ny tetikasa drône.
Manavotra aina marobe ny fanafody sy vaksiny ary ny kojakoja ara-pahasalamana novatsian’ny drône amin’ireo toerana hanaovana ny asa. Manamora ny fitantanana ny fanafody ihany koa ny fampiasana azy. Mampihena ny fivezivezena mandany fo­toana ihany koa ny fisian’io fitaovana afaka mamatsy fanafody io.

Tatiana A

Partager sur: