Fanafihana tsy tanteraka: dimy lahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Dimy lahy mpidoroka sady mpivarotra rongony naiditra eny Antanimora, omaly. Nikasa hanao fanafihana ny telo lahy.

Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’An­ta­ni­mora ny dimy lahy vokatry ny fivarotan-drongony mahery vaika eto an-dRe­ni­vohitra sy ny manodidina. Na­ha­ray fitarainana avy amin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena fa misy andian-dehilahy midoroka sady mivarotra karazan-drongony “Skunk” eny amin’ny manodidina an’Ampi­ta­tafika. Nanao paikady his­amborana ireo olona nahiahiana ny polisim-pirenena eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina. Sarona teo am-pikirakirana rongony ny roa lahy. Natao ny fisavana ka nahatrarana rongony “skunk” nilanja 304 grama teny amin’izy ireo. Niaiky heloka, samy mpidoroka izy roa lahy ireto ka nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana, ny 9 novambra. 53 taona no zokiny indrindra tamin’ireo voasambotra.
Basy kilalao

Mpifoka rongony telo lahy tra-tehaka teny Saropody, nandritra ny fisafoana nataon’ ny polisim-pirenena ao amin’ ny kaomisaria Ambohijatovo, ny 10 novambra teo. No­raisim-potsiny teo am-pifohana zava-mahadomelina izy telo lahy. Natao ny fisavana, nahitana basy kilalao roa niampy bala tena izy iray teny amin’ireo olona voasambotra ireo. Nihazona antsy koa ny iray tamin’izy ireo. Nikonon­konona fanafihana izy telo lahy izao tratra izao.
Marihina, anisan’ ny mampirongatra ny tranga tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra ny fiparita­han’ny zava-mahadomelina ka anton’ ny hanaovan’ny mpitandro filaminana hetsika manokana.

Tsiferana R.

Partager sur: