Fananan-tany: hanamafy ny ady amin’ny kolikoly ny MFFT

Niarahana tamin’ny Transparency International-Initiative Madagascar-TI-MG ny hetsika. Notsiahivina ny maha zava-dehibe ny ady atao amin’ny kolikoly eo amin’ ny sehatry ny fananan-tany ka hohamafisina hatrany izany. Nifampidinihana koa ny tokony hijerena akaiky ireo voka-dratsy aterak’izany kolikoly izany eo amin’ny sehatry ny fananan-tany. Narahana adihevitra sy tolo-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiharana ny mangarahara sy ny ezaka hampihenana na hanafoanana izany kolikoly izany.
Anisan’ny niatrika ny fivoriana ny avy amin’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly (CBGLCC). Natre­hin’ireo tale eo anivon’ny minisitera izany ary indrindra ireo mpiandraikitra ny fananan-tany.
Tsiahivina fa efa misy ny tetikasa maharitra dimy taona antsoina hoe “Land and Corruption in Africa”, iadiana amin’ny kolikoly amin’ny tontolon’ny fananan-tany. Efa na­nofanana ireo mpanofana tany amin’ny renivohi-paritany niarahana tamin’ny TI-MG izany. Nisitraka izany ny vehivavy sy ny tanora ary ny mpi­ompy sy mpamboly. Teo koa ireo manana fahasembanana. Nitohy amin’ny fizarana ny fahalalana azon’izy ireo any amin’ny fikambanana sy ny tanàna niaviany avy izy ireo, manoloana ny ady amin’ny kolikoly eo amin’ny fananan-tany.

Synèse R.

Partager sur: